Miandrandra hoavy mamiratra izy ireo !

IZY EFATRA MIRAHAVAVY KELY AO MAFAIDRANO

Ianao, izaho, isika rehetra izao, – farafahakeliny indray mandeha teo amin’ny fiainana – tsy maintsy efa samy niteny hoe “sahirana aho”.

Fa andeha jerena anie ity tantara mahonena ity e: ny fiainan’izy efatra mirahavavy kely ao Mafaidrano.

Monina ao Mafaidrano, tanana kely any atsimon’i Madagasikara I Nahasoa 4 taona, Vitasoa 6 taona, Evasoa 8 taona ary i Vorirene 12 taona. Telo taona izay no nandaozan’ny rainy azy efatra mirahavavy kely rehefa maty ny renin’izy ireo. Bebe Razany sisa no hany andry iankinan’izy ireo. 65 taona izy izao fa miezaka ihany manao izay ho afany amin’ny fambolena kely ataony mba amelomana ireto silaky ny ainy.

Mba manana ny nofinofy sy faniriany izy ireo, saingy mahonena loatra raha ny zava-misy iainany no jerena. Efitra iray no mba onenany, fandriana iray no atoriana, sakafo indray mandeha isan’andro raha misy no mba hifampizarana, ravina sy tapa-kazo no hany hitsaboana raha sendra marary.

Ny mba nofinofin’izy ireo? Ny handeha any an-tsekoly. Nahasoa, Vitasoa, Evasoa, ary Vorirene dia manam-paniriana hianatra, hilalao, ary hivelatra amina tontolo ahafahan’izy ireo mitombo sy mahomby. Indrisy anefa, ny tsy fahampian’ny fahefana mividy sy ny fitaovam-pianarana dia manakana azy ireo tsy hahazo fahafahana amin’ny fanabeazana.

An’arivony ireo ankizy Malagasy mitovy amin’izy ireo, miafy amin’ny fianarana tsizarizary. Ho hitanao izany ao anatin’ity horonantsary ity :

Mendrika hanana hoavy mamiratra ireo ankizy ireo. Ndao hiaraka isika hitondra fanovana ho an’ny fiainan’izy ireo.

Ny fanohananao dia mampisy fiovana lehibe; ndao homena azy ireo ny fahafahana hianatra sy hanatanteraka ny nofinofiny !